Resy lahatra (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Resy lahatra

Nodiniako ambony nodiako ambany
Nofakafakaiko nohalaliniko tsara
Fa raha sanatria i Dada no tsy lany
Dia voavarotra tanteraka i Madagasikara

Aiza moa ahavitana izany Miami izany
Ary koa ity izy asiana puce ny omby
Angamba poakaty sy nofinofy ihany
Koa ilay any Frantsa aza nitory

Koa raha io ve no lany eo sanatria
Tsy ho very i Madagasikaran-tsika?
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Fitiavana
133 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152