You are here: home > Vetso

Ririnina, lohantaona, fahavaratra - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Ririnina, lohantaona, fahavaratra

mangatsiaka mamanala
ny andron'ny ririnina
hirotsahan'ny fanala
miraikitra amin'ny vilona

mandoro mahamay
ny andro lohantaona
toa hila hitsovaka izahay
amin'ity andro manasara-taona

ny kotroka sy ny varatra
no injay mirefo-drefotra
amin'ity andro fahavaratra
havandra mitefotefoka

Hametraka hevitra

Midira aloha