You are here: home > Vetso

Rivo-doza AVA - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Rivo-doza AVA

namela takaitra mafy
ilay oram-be nifafy
nivadika rivo-doza
marina ka tena loza

ity vao tena henjana
fa tapaka koa ny tetezana
ny lalana amin'izany
goaka ny rano ny tany

tena nandravarava
ilay rivo-doza nandalo
izay oram-be lava
sy tafihotra mifangaro

namoizan'olona maro
izay fihotsahan'ny tany
indrindra fa ireo rano
loza tena loza izany

Hametraka hevitra

Midira aloha