Ry zanak'i Dada Ravalomanana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry zanak'i Dada Ravalomanana

Ry malagasy tia tanindrazana
MananĂ  finoana sy finiavana
Handeha isika hanao rodom-be
Ho eny Mahamasina kianjabe

Ho porofoin-tsika ny fandresena
Ho fanavotana ity firenena
Koa samia ary mba ho tonga daholo
Ry malagasy tsy vakivolo

Ataontsika amin'ny filaminana
Ho porofo ny fahamarinana
Fa ny zanak'i Dada tsy tia korontana
Fa i Gasikara mila fanavotana

Ho avy ao daholo isika rehetra
Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany
I Dada filoha no tarigetra
Ho tohanantsika izy ka tsy maintsy lany

Koa entano ny namana ho tonga maro
Ho eny Mahamasina isika asabotsy
Samia miangona dia mandeha maromaro
Ho ravahana ilay mena sy fotsy

Ho fenontsika ity toerana ity
Ka sahia handeha hiara-dia
Ho feno an-tsika ny eny an-dalana
Io ilay filoha Marc Ravalomanana

Aza hadino ary ilay fotoana
Amin'ny asabotsy telo novambra
Eny mahamasina indray isika mihaona
Ry zanak'i Dada Ravalomanana

Fidio Marc Ravalomanana
--------
Rohy:
1059 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153