Safidiko, safidinao, safiditsika (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Safidiko,safidinao, safiditsika

Safidiko, safidinao, safiditsika
Isika rehetra hifidy an'i Dada
Fa izy irery ihany no mahavita
Manarina haingana ity firenena
Manan-traikefa ny fitantanana
Isika vahoaka aloha no jereny
Koa Fidio i Marc Ravalomanana

Ny malagasy rehetra dia manana zo
Hifidy izay olona tiany ho filoha
Saingy izaho matoky ianao matoky
Fa i Dada dia tsy mba boloky
Ka hoe manome toky fitaka izany
Koa aza matahotra minoa fotsiny ihany

Ny malagasy rehetra dia manan-tsaina
Hoenti-mandalina, hoenti-mandinika
Manana zo afaka mitaraina
Ary tompon-tsafidy amin'izay tiany
Tsy afaka terena na koa tambazana
Koa mijoroa ho an'i tanindrazana

Misahia, mijoroa amin'ny fahamarinana
Fa aza sodoky izay vola tsy haharitra
Koa saino amin'ny finoana sy filaminana
Ary isika ho samy ho tahin'Andriamanitra

Koa entaniko ianao fa manan-tsaina
Mahafantatra tsara izay tokony ho atao
Koa ankino amin'ny Dada ilay nantenaina
Ity ho avinao sy ny taranakao
--------
Rohy:
877 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126