Saino kely anie (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saino kely anie

Ry malagasy fantatrao
Izao fiainan-tsika izao
Fa miha sarotra foana
Isan'andro sy isan'ora
Miha lafo fa tsy mora

Angamba fa fantatrao
Fa maro ireo taraina
Be tokoa ireo talaho
Mila hanimba ny saina

Ny pesta sy ny dahalo
Dia mirongatra mafy
Ireo no tena fahavalo
Mamono ka mahafaty

Ireo anefa no tonga
Dia noho isika izao ihany
Tsy an'asa ireo kilonga
Ka misaina toy izany

Ny filoham-pirenena
Manao izay rehetra tiany
Ianao angaha moa jereny
Fa ireo fianankaviany
No tafita no faniriany

Ka saino kely anie
Fa angamba mahafehy
Ireo no tiako hambara
Ka araho ary ny tantara
--------
Rohy:
1007 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172