Sakaiza manody (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sakaiza manody

tsy nampoiziko ho ianao
no nahavita toy izao
nanaiky ho rebirebeny
tamin'ireo teny
mambabo ny fo
manaitra ny fanahy
koa dia sahy tokoa
namadika ahy

tsy nampoiziko ho ialahy
no sahy namadika ahy
tamin'ny toky finamanana
satria nivadika ranamana
tsy maninona leroa
fa izaho tsy iantso tody
na hamadika ahy avokoa
fa fitia toy ketsa iandrasam-pody

namadika ny teny
nanafoana ny toky
ianao namela ahy irery
ilay namako boloky
namadika ahy avokoa
ianareo an-kiroa

tsy fantatrao akory satria
namako anie io
ity asolonao ahy ity
ka izao no tadidio
fa sakaiza man'ody nareo
na izy na ianao
samy namadika ahy rahateo
koa avelao aho amin'izao
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Fitiavana
833 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155