Sambatra aho manana anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambatra aho
manana anao
izay tiako sy tia ahy
tsara toetra malemy fanahy
avy hatrany dia manaja
olo-be fa tsy zaza

sambatra aho
manana azy
fitia tena fitia ny azy
tsy nataony vazivazy
fa nataony avy ao anaty
ka iaradia mandramaty

sambatra aho
manana anao
izay ny fitiavany tsy kilalao
fa natolony ho ahy daholo
ny aminy iray manontolo

Sambatra aho
manana anao
isika tsy nilalao
fa niaraniombona ho doria
iaradia mandrakizay
dia ny fo hitambatra ho iray
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1819 4
Hevitra mandeha
tononkalokanto2017 ( 19/12/2017 22:10)
Sambatra marina ianao manana azy
sambatra izy any
tsara be
katrynah ( 28/12/2019 16:12)
Sambatra marn enao fa samy manana ny fahasambarana ny olona tsirairay
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156