Sarom-piaro (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sarom-piaro

Raha azoko natao, Ny hamatotra anao
Dia nofatorako teto, Tsy navelako hiala eto
Tiako manko raha izaho, Izaho ihany no tianao
Tiako manko raha izaho, Izaho ihany no hitanao
Izay alehanao rehetra, Dia tiako aho foana hitoetra
Ka na aiza no misy anao, Dia tiako koa hisy aho

Tiako ho fantatry ny maro, Fa hoe izaho tsy mifangaro
Koa raha eny an-dalana, Dia raha mifamitantana
Amin'izay fantatry ny olona, Fa tia ahy ianao ka vonona
Indraindray aho manko, Marary ny anatiko ato
Rehefa ianao tiako izay, Miresaka amin'ny tovovavy iray

Tiako ho izaho irery, No hitanao raha vao mijery
Tiako ho izaho manokana, No tianao sady tokana
Tiako ho izaho ihany, No ao an-tsainao any
Ka izaho foana ny tianao, Ary ho tantananao
Eny an-dalana rehetra eny, Tiako izaho irery
No hitanao sy tianao, Sarom-piaro aho
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
968 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118