Sarom-piaro (Nalison Randrianaivo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sarom-piaro

tiako takonako avokoa
ireo masonao ankiroa
mba tsy hijerijery
fa mba ho ahy irery

ho tantanako ianao
ho fantatry ny olona
fa efa ahy ny fonao
efa ahy irery ihany
efa ahy hatrany hatrany

tiako izaho irery
no hitanao raha mijery
tiako izaho manokana
no tianao sy tokana

tiako aleha daholo
izay alehanao manontolo
tiako hisy ahy avokoa
izay misy anao rehetra
tsy misy voafetra

toa mahasarom-piaro
ianao ilay mifangaro
amin'ireny namanao
be rendra sy lalao
--------
Lien:
Catégorie : Ahiahy - Fitiavana
404 3
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168