Sento fitia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sento fitia

Sento foana no mba iainako,
Raha iny lasa ny fisainako
Mamadibadika ireo taona
Dia voatsiaro eny foana
Ilay endrika amam-bikanao
Ny anaranao, ny momba anao
Dia lasa ny fanontaniana
Hoe: Izy tokoa ilay olon-tiana
Nampianatra ahy nitia
Fony aho vao nandia
Nianatra namindra
Vao nianatra nandady
Dia nahay nitia sahady
Indrisy ianao tsy eto
Dia indro fa misento

Sento koa no namaly
Ireo tsiaron'ny omaly
Niainana tany aloha
Indrisy izy tsy toa
Ka variana dia variana
Lasa saina mangingina
Fa miverina ao an-tsaina
Ireo talaho sy taraina
Fiangaviko taminao
Nefa indrisy lasa ianao
Tsy rehinao akory
Ny foko tena ory
Maratra mamela fery
Fa nilaozanao irery
Satria ianao tsy eto
Dia mitokoko sy misento

Sento indray miserana
Ny saina tsy ampy heverana
Ka nanao didi-doha
Nita rano in-droa
Ka farany fa tratra
Mizaka ny tsy zaka
Ny valin'ny natao
Indrisy aiza ianao
Hifonana satria
Hilela-paladia
No ny zavatra vitako
Izay maizina tsy hitako
Nefa anie ianao tsy eto
Ka mitomany sy misento
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1268 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159