Sinoa sy karàna no mameno ny tanàna (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa toa sinoa sy karana
no mameno ny tanana

sady isika gasy indray
no ampiasainy amin'izay

raha vao hoe behoririka
ny sinoa no be mpitsirika

raha vao hoe tsaralalana
ny karàna no mameno tanana

dia feno an-dry zareo
izay aleha
na anaty tanàna na arabe

fa dia ny sinoa sy ny karana
izy indray no manakarama

isika malagasy indray
no lazainy fa tsy mahay
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
709 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162