Sombin-tantara (ANJARA) (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANJARA

Vao 15taona teo aho dia nanomboka niditra tao anatin'ny fitiavana,ka nisy tovovavy iray izay mba nahasarika ahy:mpiara-monina teo an-tanàna izy io ary tena mba nambabo ny foko;ka isan'andro aho mijery azy foana ao an-tokotaniny ao,kanjo kay izy tsy tao an-tokontaniny akory fa tery andavarangany
iny izy teo andavarangana iny, dia notsokiloviko ary nodiniako tsara izy tamin'izany;
izy amin'io tsy mahita ahy akory, ka nanomboka nitsiry tao anatiko ny fitiavana ilay tovovavy kely; koa nataoko ary izay hifanenana aminy,
ka indray ariva izay tokony tamin'ny 5 ora hariva teo iny
no injay izy nirava avy nianatra, izaho amin'io efa vonona tsara mba nanao metimety hoe hitsena azy ery andrefan-tanàna;mody nivoaka aho raha vao tazako ireny manangasanga ireny ny anao,mody tsy te hahalala mihintsy aho amin'io, dia iny ary fa nifanakaiky ka nifanena,ahoana moa ny atairan'ilay tovovavy kely nahita ahy mizesita sy mikiraro tsara: ka hoy aho tany an-tsaiko tany hoe tsy maintsy azoko ny fonao r'ikala kely ah
dia ohatran'izay foana ny fanaoko isan'andro isan'andro,koa mody nampiako resaka kely amin'izay ary izato izy taty aoriana kely
ka noteneniko hoe mirava amin'ny firy indry rahampitso fa ho tsenaiko, ka tsy nisalasala ratovovavy namaly tamiko hoe amin'ny 5 ora otran'ilay nahitako anao isan'andro ireny foana izahay no mirava,sady nampiany tsiky sy hehy kely,ay hoy aho,ho tsenaiko izany ianao rahampitsoa dia amin'ny 5ora hariva aho endraso eo amin'ilay nifanenan-tsika eo foana,eo izaho endrasina hoy aho namaly taminy,ieny ary eh,hoy ratovovavy namaly ahy; dia tonga ary ilay fotoana hiaonanay, izy efa sasamiandry izaho mbola vao niomana,afaka minitra vitsy dia nanainga koa aho hamonjy azy; dia lasa ary aho ka tonga teny amin'ilay toerana nanaovanay fotoana dia nifandray tanana nifampy arahaba;nitsiky ary izato anjelikely nahalasa adala ahy ka nisokatra ireo molony roa, avy aho dia raraka sahady ka tsy nahateny tsy nahasoka-bava,ka hoy rakala kely tamiko hoe;inona ary ity lasam-borona be ity, toa sady tsy miteny mihintsy,hoy aho namaly taminy sady taitra hoe ho ay azafady akia fa variana kely fotsiny aho ah,ka namaly izy hoe ,ay, tsy maninona ka,vaka teo ary izato saiko hoe ataoko ahoana ny hamborahako fitia aminy, nefa izaho ity mitsangambolo sy menatra mafy;nivavaka aho hoe ampy aho Jesosy ô fa tiako loatra izy nefa izaho tsy mahita tenenina,ka nanontany indray rakala kely hoe;inona foana ary ity eh?ka hoy aho namaly taminy hoe; tsy izany mantsy akia fa...fa...fa,dia tsy voateniko mihintsy ary ilay izy,ka hoy rakala kely hoe;fa..fa..fa ahoana eh?misy inona?hoy izy,hoy aho namaly taminy hoe;tsy izany fa..fa..fa tiako ianao
hoy ary rakala kely nandre izany teniko izany sady taitra mafy izy ka niteny hoe;fitia ataitairana fotsiny ny anao,ka hoy aho namaly azy hoe tiako hoy aho ianao;tianao oatran'ny ahoana ary aho eh?hoy izy namaly ahy,ka hoy aho taminy;tiako fotsiny,tiako tsisy hoe ahoana,hay ity ratovovavy ity koa kay efa miandry vava alatsaka fotsiny sisa,ka teo ihany izy dia namaly ka nanaiky avy hatrany:nanomboka teo ka hatramin'izao dia mifankatia izahay,efa 8taona eo izao no niarahanay ary afaka andro vitsivitsy dia hatao ny raharahanay
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Fitiavana
8052 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157