Sombin-tantara (io fitiavana io) (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io fitiavana io

nisy olona roa nifankatia
izay natambatry ilay fitia
ka tsy nanampo fisarahana
fa ny ho tafita ihany no mibahana
nifankatia tsara ry zareo
nifanaja, nifakantoa
izay lavitry ny toreo
fa fitiavana ao am-po
nifanolotra ny mamy
nifampihinana ny manta
mbola nifankatia hatrany
ka mbola tsisy ny maratra!
mafana tokoa ilay fitia
ka tsy nitsinjo ny ao afara
koa nino fa ho doria
hoe izy ilay anjara
isa-tsegondra isa-minitra
dia mifanoroka foana
toa mamy tsy mety ho ritra
dia satry re hiaona foana
tsy mifankafoy tokoa mantsy
ka malaina ny hifandao
mbola toky tsy poakaty
ilay tokin'izy ireo hatramin'izao
indray andro anefa ry reto
nifanalavitra izy roa
halahelo, sentosento
ka saika hamoy fo
ilay tovovavy tsy nahatanty
ny elanelan-tany
indrisy anefa mantsy
tsy maintsy lalovana izany
indray andro ilay tovovavy
nalahelo tena mafy
ka nandraiky nanavy
ny halahelo no tsy tanty
mahatsiaro azy foana
tsindrin-daona mafy
rahoviana ary ilay fotoana
hialany any an-dafy
indraindray ratovovavy
toa kivy toa tsy hazaka
koa isan'andro izao manavy
n'ilay fitia lalim-paka!
Ilay tovolahy anefa
indray, indroa mba mahatsiaro
izay mitady hilefa
mitady hanafangaro
ny aminao sy ny any
sy ireo elanelan-tany
lavitra dia lavitra
tsy hatazanany anao
io farafodi-lanitra
no handinihany anao
toa lavitra tokoa
ka te hampiova fo
tsy hiverina intsony
ny tiany aza nadinoiny
koa indray andro razavavy
mba niantso andra-tovolahy
izay namoron-dainga hoe marary
mba hodian'ilay rangahy
anefa indrisy anefa ry reto
fa ratovolahy tsy nety
vao maika sempotra sento
ilay tovovavy ka torana vetivety
nirediredy ho aiza ianao
ry ilay malalako tsy foiko
mety rehy sy tsampanao
ve ny fijalian'ity foko
mbola tamin'ny antso an-telefaonina
izy ilay torana tampoka
nirediredy sy mimaonimaonina
ka tafatsangana tampoka
ka niteny, nifona, nilela-paladia
anefa indrisy ry reto satria
ilay tovolahy hono tsy tia
fa efa misy solony hono any
izy mba nivoady ho doria
nefa indrisy nofo izany
ka nanomboka teo
dia tapaka ilay fitia
ilay tovovavy nitoreo
fa nilaozan'ilehiry
nivoady ny tsy hitia intsony
ilay tovovavy fa hoe leo fijaliana
ka nampitony izany fony
mba tsy hisy intsony fahoriana
indraindray izy anefa
mahatsiaro ireo lasany
ka sento no miantefa
hanadinoiny ny tantarany
ratovolahy indray
sambatra eo anilan'olon-kafa
hadinony ilay fah'izay
nalevony ho voafafa
tsy mba mahatsiaro akory
ilay olon-tiany fahiny
tsy nahatsiaro hoe ory
eo anilan'io olon-tiany io ankehitriny
ratovovavy indray any
toa miandry azy hatrany
miantsoantso miverena
sady mbola manantena
indraindray tsy zakany
ka mitady hanaonao foana izy
toa mafy loatra re ireo lasany
ka mahaketraka azy sy ho kivy
ireo lasany fahoriana
izay mafy nozakainy
namoizany olon-tiana
ka hamoizany ny ainy
tsy tantiny intsony
fa aleony mandao ny tany
koa nitsiroka tao anony
izy ka maty tamin'izany
ratovolahy tsy nahare
fa ny any ihany no sakaizany
ny olon-tiany, nariany nefa re
maty tsy ho tazany
tsy naleviny akory
tsy hitany farany
fa tao anaty kamory, nony
no nifaranan'ny tantarany
io fitiavana io ry reto
mahavita ny tsy hampoizina
raha mafy loatra ny sento
dia mitondra famoizana
io fitiavana io ry zareo
dia mampitomany rahateo
mampijaly ireo mitia
izay voarafin'ilay tia
io fitiavana io koa
fifaliana no niandohany
ka mitondra famoizam-po
raha tsy mahay mifanaja hatrany
io fitiavana io tokoa
no lehibe indrindra eto
aza atao hamoy fo
fa ataovy ventsoventso
io fitiavana io poizina no fanafody
misy ireo tsy mahazaka ka miantso tody
io fitiavana io toy ny aina
mila koloina mba tsy ho maina
mila karakaraina
ny fitia toy ny lolo
mila tsara kolokolo
fa raha ratsy kolo dia manjavona
toy ny rahona sy zavona
--------
Rohy:
2375 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0645