Souvenir (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Souvenir

Andeha tokoa moa ianao?
Inona moa no azoko atao
Tso-drano no atao be dia be
Mahaleova mahalasana re

Fa alohan'ny andehananao
Hangatahiko raha mba sitrakao

Ity sariko ataovy souvenir
Raha mahatsiaro ahy ianao
Dia mandefa hira
Ilay fihainon-tsika sy ianao

Ilay hira fikalokalon-tsika fahiny
Teny rehetra rehetra teny
Ho souvenir ireny ankehintriny
Zary ho foana sisa ireny
Nanjavona tsy nisy tavela
Ireny horoka tohaka lela

Ireny fiarahan-tsika mamy
Hanjary ho alahelo sy tomany
Ho zary souvenir sisa
Irony tantaran-tsika

Ireo zava-bita niaraha-natao
Nifarimbonan-tsika sy ianao
Ho souvenir mba hitoetra
Ireny fialan-tsasatra sy ny etsetra...

Izao malala no tsarovy
Fa na ho vato na ho vy
Dia tiako foana indry
Veloma mandrampihaona
Mino aho fa mbola hiaona
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1131 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0647