Tadiom-pitia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tadiom-pitia

Sendra tadio mahery vaika
No nifaoka ilay hasambarana
      Fotoana fohy, minitra vitsy
        Dia foana teo ilay tsikitsiky
             Fa na ianao aza tsy hitako
   Ny feonao aza tsy rehiko intsony
      Toa nihevitra aho hoe nofy
      Nofy ihany izao hiainako izao
   Saingy torovana ihany aho
Satria tsy nahita tsy nahare anao

Sendra aho nandre kely
Naheno anao niantso sy niteny
        Hay ianao lasa efa anjely
Manidina eny ambony eny
Dia niezaka aho fa tsy arih'elatra
         Nitsambika fa tafapetraka
Nisambotra sy nandray ny tananao
Ka nijery anao naharitraritra
   Saingy ditsoka ihany aho
 Rehefa nibanjina ela ny lanitra

Nisafotofoto toy izany
Nisamboady ny lanitra sy tany
      Fanina aho ka nianjera
     Rehefa ela ihany ny ela
Nandritra ny ora maromaro
  Tsy nahatsiaro tena aho
Noho ny farany anefa niarina
Dia niezaka namantatra ny marina

Tsy nino ny saiko raha nolazaina
      Tsy nino koa raha nitantaraina
Fa tena nisy tadio nandalo tokoa
Saingy izaho no ditsoka ka natory
   Dia tsy nahatsiaro izany akory
Ka toy ireny niaina anaty nofy ireny
  Hay teo an-tratran'olontiana
Dia tsy nahatsiaro fahoriana
--------
Rohy:
1212 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159