Tena fitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena Fitiavana

Hatramin'izay ka hatramin'izao
Dia mbola tiako foana ianao
Eny, Raha mbola sitrakao
Dia ny aiko mihintsy no atolotro
Avy ao anaty fa tsy imolotro

Ianao koa anefa torak'izany
Tena nitia tam-po fa tsy nihanihany
Ka sahy nivelirano
Fa ho toy ny Vary sy Rano

Hatr'izay dia voasedra izay nandalo
Na ireo tsy tia na ireo fahavalo
Ary samy mbola vonona
Hiaraka hitolona

Ho mpandresy tsy ho lavo
Izay no tanjona kendrena
Ho falifaly ary ho ravo
Harahina Fahendrena

Ary fitiavana mahay manambara
Hatreny ambony Alitara
Fitiavana vita porofo
Fitiavana hifamofo
Fitiavana tsy mety miofo

Ary hifanolotra peratra
Eo anatrehan'Andriamanitra
Ary aminao irery no hipetraka
Fa ianao no Vero sy hanitra ho ahy
Sady silako ary fanahy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1893 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155