Teny mamiko (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny mamiko

Ny fitiavako feno mitafotafo,
Tsy hanalana ary tsy hanampiana
No homeko ho anao tsy vidiana
Ny orok'oroka sy safosafo
Sy ireo teny mamy tsy lany hamamiana

Ny fitiavako rehetra iray manontolo,
Sady madio no mangarahara
No homeko ho anao tsy mizarazara,
Ary foiko ho anao daholo daholo
Ka ho tia anao aho hatrany am-para

Ny fitiavako tokana ka tokana ny fo
No homeko anao ho anao irery ihany
Mandrampialako ety an-tany
Ka mandrampikimpin'ny masoko roa
Dia ny tiako dia ianao hatrany hatrany

Ny androm-piainako sisa rehetra
Eny re fa hatramin'ny aiko
Dia tsarovy tsarovy izay teny ho lazaiko
Fa ny fitiavako anao tsy misy fetra
Ary ho tiako foana ianao ka hajaiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1947 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153