Teny mamy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny mamy

ny tena fitiavana re no lazaiko
ho atolotro anao silaky ny aiko
fa ianao ihany no mby ao an-tsaiko
mamiko hatrany sy tena lalaiko

tsy izany ihany fa hatramin'ny aiko
atolotro ho anao ry ilay no tiaviko
raha mbola ianao dia ho hajaiko
tiaviko hatrany fa tsy mba ho laviko

tsy maty an-doha ilay endrika izany
tsy maty am-po ilay tsikinao mamy
ny vavako mivoha
Ny anaranao no voateny
izay malama tokoa
Manonona ireny

vita sary sokitra ilay bikanao kanto
malefaka fijoro toa milantolanto
ianao ilay harena sarobidy ho ahy
volamena tsy voavidy sy silam-panahy

ilay feonao mandrotsy tsy miala an-tsofiko
rojo volafotsy mitondra ny nofiko
ho mamy sy lafatra izay no entiny
fitiavana fatratra izay no asetriny
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
13064 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0408