Tia anao izy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia anao izy

Hitanao tsy miteny
Dia nararaontinao
Hanaovanao ireny
Ditra ditranao
Koa...
Nandefitra izy
Na dia hoe mangidy
Aminy aza izany
Dia niaretany hatrany
Ireo...
Vono sy latsa
Ireo fery sy ratra
Niaretany avokoa
Na dia mafy tokoa
Aza...
No niainany
Dia tsy nitarainany
kanefa...
Tsy tsapanao izany
Tsy tsapanao akory
Fa fahoriana hatrany
Ny azy ny alina hatory
Fa izao fahoriana izao
No mihatra aminy
Izay tena vitanao
Ny nanimba ny aminy
Satria...
Ianao tokoa no mpanjaka?
Ka afaka mandaka
Manao izay tianao atao
Sao mba tsy mety re izao
Sa...
Efa tofoka sy leo?
Amin'ny fiarahanareo
No manao an'izao
Zavatra tsy fanao
Izato ianao
Koa...
Avelao re izy
Fa tena mangidy
Mila hiatra aman'aina
Ilay vonona sy kendaina
Ka ny...
Tiany ho tsapanao
Fa tiany foana ianao
Koa...
Aza hampitondraina mangidy
Fa tia anao izy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
717 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0632