Tiako ianao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao

Tiako ianao
Tsisy hoe nahoana
Fa dia tiako foana
Tsy hoe tiako tiako
Fa tena faniriako
Eny, Tena laniko
Ianao ho ankaniko
Hitoeran'ity fo
Ilay lapanao soa

Tiako ianao
Tiako tsotr'izao
Hiara-dia aminao
No hany faniriako
Ka izay fijalianao
Dia ho fijaliako
Ny fararianao
Dia miatraika amin'ny aiko
Ny fifalianao
Iombonana ry aiko

Tiako ianao
Tiako ka ho tokana
Ny fitiavanao
No hany fanavotana
Ny foko tia miandry
Tsy tafandrimandry
Isan'andro miandrandra
Fa mahatsiaro banga
Ka tiako ianao hitoetra
Ao anatiko ao rehetra
Hitoetra tsy handao
Ho mamy tsy ankalao

Tiako ianao
Tiako fotsiny
Ny fitiavako anao
Tena avy ao am-potony
Tsy avy aiza re izany
Fa avy ao am-poko ihany
Misokatra midanadana
Mivoha misanasana
Maniry hidiranao ao
Fa tena tiako ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
7488 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158