tiako ianao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao

io teny io
izay no tadidio
ataovy ao an-tsaina
aza mora malaina
fa io teny io ihany
no hampa-zoto anao
ho tianao hatrany
hoe tiako loatra ianao

izany teny izany
dia voatanako hatrany
mbola tsy miova sanatria
ilay tiako ianao tamin'izany
indrindra ilay fitia
toa vao maika mamy hatrany

tiako ianao
izay ilay nambarako
tsy nataoko kilalao
fa navoaky ny vavako
ka aza manahy ianao
fa ianao hatramin'izao

tiako ianao malala
ianao koa nahalala
fa ny antsika ho doria
izany ilay voady
sy niombona fitia
sy hifanam-bady
--------
Rohy:
1797 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167