Tiako loatra ianao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako loatra ianao

vonona aho ho gejaina
amin'ny kofehy mahazaka
aminao ry lalaina
ny foko lalim-paka

vonona aho ho hafatotra
amin'ny rojo vy
ny fitiavako tena matotra
ny hivadika sanatria

vonona aho ho gadraina
amin'ny fitiavako anao
ka zakaiko ho sedraina
fa tiako loatra ianao

vonona aho ny hisedra
ny mafy indrindra
na mafy aza no mangeja
dia ianao tsy azo afindra

vonona aho ny hanolotra
ny aiko ho anao
tsy mba atendromolotra
fa avy ao am-poko ao

vonona aho ny hampiakatra
anao ho vady
raha avo be aza takatra
fa tanteraka ilay voady
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1496 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161