Tiako tsotr'izao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao
tiako tsotr'izao
tiako ho ahy irery
satria ianao ilay anjely

tiako ho ahy manokana
tiako tsisy takona
fa tiako ho mpanjaka
ianao no tompon'ny lapa

tiako tsy voafetra
fa tiako tsisy fetra
tiako ho doria
aina no fetrampitia

tiako mandrakizay
ny tiako dia iray
ary tiako tsisy tambiny
laniko avokoa ny rehetra aminy

tiako dia tiako fotsiny
izay no ilazako azy
fa tiako loatra ny aminy
ary tsy ataoko vazivazy
--------
Rohy:
1022 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113