Tokana ho ahy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny ianao no lalaiko
mba ho tokana hajaiko
Iaraka hanoy ny dia
Ivoady ho doria
Eny ianao no ekeko
Sy mba ho jereko
izay hahafaly anao
Tsy mba mora ho lao
Eny ianao no safidy
harena sarobidy
handravaka ny andro
maraina,hariva,hatoandro
Eny ianao no laniko
ravakin'ny toka-tranoko
Na mangidy io na mamy
Dia tokana hatrany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1058 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0644