You are here: home > Vetso

Ny Tokantrano sambatra - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Ny tokantrano soa
mba ho lavitry ny ady
sy ho tena mamy koa
tsisy disadisa ianjady

ny tokantrano sambatra
dia ny miara-misedra
izay zavamisy
dia ho tonga tena lafatra
sy harahin-tsikitsiky

ny tokantrano mendrika
izay niarahan'anorina
mandrakizay tsy ho rendrika
fa efa tena mafy orina

ny tokantrano paradisa
dia ny mpivady miray fo
tsy mahay mampandry andrisa
fa manankina ny fiainany amin'i Jesoa

ny tokantrano lafatra
dia ny miara-mikatsaka
hamelomana ny ankohonana
izay tena mila fahavononana

Hametraka hevitra

Midira aloha