Tsarovy tsara (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsarovy tsara

Fa mihevitra ve ianao
Fa hitoetra eto foana?
Hiliba amin'ny harena?
Hidola amin'ny vola?

Satria moa anananao
Ka hoe tsy ho foana?
Ny vatosoa sy volamena
Dia hoe tsy ho sola?

Tsarovy tsara anefa
Fa mandalo ianao ety
Ka tsy manaraka anao
Any ampasanao akory

Sao ho diso fiantefa
Raha foana ireo satria
Tsy mba nozarainao
Tamin'ny mahantra sy ory

Ka saino tsara ihany
Aza andevoziny loatra
Aza variana finaritra
Fa tsarovy tsara

Raha miala ety an-tany
Tsy anaraka anao any an-koatra
Tsy ho entinao any an-danitra
Rehefa any am-para
--------
Rohy:
787 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122