Tsy hadino (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hadino

rehefa handeha ianao ny maraina
izay mba mazoto tsy mba malaina
tsy mba hadino ilay horoka kely
izay mamy mihoatran'ny tantely

rehefa miverina ianao ny atoandro
raha vao tonga dia misolo akanjo
tsy mba hadino ilay horoka kely
izay mamy mihoatran'ny tantely

rehefa miverina indray ny ariva
iny ilay mangina tsisy feon-tsiva
tsy mba hadino ilay horoka kely
izay mamy mihoatran'ny tantely
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
675 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159