Tsy maty (ny kalo sy ny hira) (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy maty (ny kalo sy ny hira)

ny kalo tsy mba maty
ny hira tsy ho faty
ianao no mandao ity tany
fa ireo mitoetra eny ihany
na soratra io na feo
dia mitoetra rahateo
fa tsy manaraka anao
maty sy mandao

ny hira no manala
ireo sorisory manadala
ny kalo no mandrotsy
eo anilan'ny rafotsy
tsy mety maty izy ireny
fa mitoetra eny amboeny
manelonelo avoana
hanenoheno eny foana

raha maty aza ianareo
ka dimbiasan'ny taranaka
dia mbola eo foana izy ireo
manakoako sy manaranaka
tena tsy mety maty
fa velona tsy satry
ireo hira sy kalo
izay tsy mba mandalo

ianao raha maty
dia maty tsy miteny
satria ianao mantsy
tsy toy ny izy ireny
fa ireny heno foana
na mbola firifiry taona
tsy mba mety misaona
fa miramirana eny foana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
753 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163