Tsy Miala amin'ny Dada (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy miala amin'ny Dada

Maro tokoa ny Fanaratsiana
Ao ihany koa ny Fanambaniana
Dia Foronina daholo izao sy izao
Mba Hampandotoana anao

Maro tokoa ireo fiantsiana
Ny Herisetra sy Fampiadiana
Dia lazaina foana fa avy aminao
No nahatonga izao fahantrana izao

Misy milaza fa hoe mangala-bato
Ny Fanasoketoana anao tsy miato
Dia ny Lainga foana re no hafafy
Mba hitsoahanao any an-dafy

Na maro aza ireny dia izaho mba hiteny
Tsy Hampiova ny fitiavako anao velively
Ny ahy efa Safidiko ianao ry Dada a
Isika Mpanangana fa tsy Mpandrava

Koa izaho tsy miala aminao izany
Hoy ianao minoa fotsiny ihany
Ka na maro aza ireo mpankahala
Dia Andriamanitra ihany no mahalala

Izy no Mahalala Izay heverany an-tsika
Izy koa no hitsara ireo zava-bita
Izy no Mahita, Sy Mijery ambany
Mino koa aho fa ianao tsy maintsy lany

Ilay Andriamanitra avo anie homba anao
Hanoro lalana, Hitantana ny dianao
Satria re ianao tsy mba nandrava
Ka izaho tsy aminao ry Dada
--------
Rohy:
1428 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1485