Tsy mifankafoy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mifankafoy

rehefa iny hifandao
toa malaina ny hisaraka
izaho sy ianao
toa te hifanaraka

tsy mifankafoy tokoa
ka milatsa-dranomaso
marina isika roa
toa lavitra ny an-kaso

toa tsy te hifamela irery
fa satry hiaraka foana
tsy mahafoy tokoa ireny
nefa kely ilay fotoana

malahelo, mitomany
rehefa hifanalavitra
noho ny elanelan-tany
izay lavitra dia lavitra

tsy mifankafoy satria
mahafoy fotoana hiaonana
izay tena tia tena tia
toa ho lavitry ny fisaonana

indrindra rehefa tafahoana
toa malaina ny hisaraka izany
na dia fohy aza ilay fotoana
na fohy aza tena mamy

rehefa eo anilako ianao
mankafy tsy te hifandao
tsy mifankafoy toa
marina isika roa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
997 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165