Tsy misy toa anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy toa anao

Any aminao irery ihany
No misy ny rehetra ilaiko
Tambitamby, Teny mamy
Mampiadana izato saiko

Satria...
Impiry aho moa no nisolo
Nanova fa tsy nisy nety
Efa nandramako daholo
Saingy rava vetivety

Koa...
Nandalo tamiko avokoa
Ny karazana tovolahy
Tsy nisy izay lanin'ny fo
Tsy nisy izay nahasarika ahy

Eny...
Fa na dia iray monja aza
Tsy nisy izay toa anao
Be koa anefa ireo nilaza
Ilay tena hoe tiako ianao

Saingy...
Toa am-bava fotsiny ihany
Fa tsy tena avy ao am-po
Toa hafa ihany ianao izany
Toky sy andrin'ity fo

Fa...
Tsy misy toa anao
Fa ianao irery ihany
No mitoetra am-poko ao
Sy tokana aman-tany

Fa...
Tsy misy toa anao
Izay rehetra nandalo
Toa miavaka ianao
Tsy mba nifangaro
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2115 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159