Tsy nampoiziko (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nampoiziko

Efa mba niezaka aho nitia
Nanambitamby anao hatrany
Nampifalifaly anao foana
Saingy tsy ampy ve izany?
Impiry moa aho no nanontany
Hoe teneno ahy izay tsy ampy
Fa vonona aho hanampy

Saingy hoy ianao raha namaly
Izaho anie hoy aho tsy mijaly
Fa raha fitia izay natolotrao
Efa ampy, Koa misaotra anao
Fa tsy haiko hoy ianao ny foko
Fa toa mora leo anao izany
Koa angamba tsy hadisoako
Mialatsiny fa ho teneniko ihany

Misaotra betsaka anao aho
Maro tokoa ny zava-bitanao tamiko
Koa ankehintriny aho handao
Tsy ho tazanao intsony mihitsy
Aleo akia hifarana ny antsika
Fa tsy anjarako akory ianao
Tsy ho anjaranao akory aho
Fa izaho efa manam-bady
Koa manao azafady

Eny e, Tsy nampoiziko ho ianao
Ilay nahatokisako hatr'izay
No mora leo, milaza ny handao
Saingy tsy omeko tsiny ianao
Fa izaho mihitsy no adala e
Niraikim-po fatratra ery
Tena mba nianoka, Sy nankafy

Kanjo, hay toky fitaka sy poakaty
Ireny lokaloka nataonao ireny
Hay ve ka vava fotsiny sy fiteny
Fa tsy tena avy ao anaty akory
Fa mafy loatra ka nanaitra ny natory
Eny e, tsy nampoiziko tokoa aloha
Fa kosa aho mitso-drano anao
Misambarana anilan'ny tianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1960 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125