Valim-pitia nolavina (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valim-pitia nolavina

hoy ianao teo hoe
tiako ianao, tiako ianao
miangavy mba valio re
raha mba azonao atao

tsapako tokoa aloha
fa tena tia ahy ianao
fa efa nisy tonga aloha
nisongona ny lalanao

koa mialatsiny indrindra
azafady raha hoe handratra
fa ny foko tsy azo afindra
na hitia olon-kafa

mialatsiny r'ise a
any an-kafa aloha mitady
mialatsiny be dia be
fa izahay efa hivady

tsy hoe tsy tiako ianao sanatria
fa tsy azoko atao
ny handrafy na hania
amin'ilay olon-tiako izao

izaho koa tia anao
nefa indrisy, tena tsy mety
koa avelao re amin'izao
fa sao handratra ahy vetivety

fa izao kosa aloha
aoka tsy handrava finamanana
fa raha fitia no tsy ho toa
aleo mijanona ho mpinamana

tsofiko rano ianao hahita
ilay anjara sahaza anao
aza manantena ny tsy hita
fa tsy anjaranao aho

aza manantena ahy intsony
fa manorena vaovao
aza mitady izay hampahory
fa izaho tsy ho anjaranao

aza sasatra miandry ahy
fa sao hiandry vasoka eo fotsiny ianao
mitadiava silampanahy
izay tia sy hahasambatra anao
--------
Rohy:
1505 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132