You are here: home > Vetso

Varavaran'ny fo - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Varavan'ny fo

toa nivoha nidanadana
ilay varavaran'ny fo
raha vao iny fa nahalala
sy nahatsapa fa nitempo

nitempo ho anao irery
sy nisokatra ho anao
ka midira ry anjely
midira ka anjakao

ka avy dia nidy ho azy
ilay varavaran-kely
izay tojo ilay sahaza
sy nidiran'ilay anjely

izay nidy tsy nivoha intsony
fa naita ilay niriany
izay efa ilay fony
ka ianao iny ilay tiany

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha