Vavaka (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vavaka

Ray ô! Tahio ny firenenay
Izay mila fanavotana
Fa tena mikorontana
Omeo mpitondra hendry
Sy matahotra anao
Ianao Ray no mitendry
Ny sitrakao no atao

Ray ô! Manjaka ny maizina
Ka tena mila faizina
Aoka hianao no hiady
Fa izahay kosa hangina
Ray ô! Efa tena mianjady
Aminay ny fijaliana

Ray ô! Ianao Mahafantatra
Ary tsy misy miafina aminao
Angamba efa fantatrao
Mila anao izahay ry Ray
Vonjeo re ny tanindrazanay

Fa tena latsaka aka-terena
Mahantra sy be siasia
Ray ô!omeo filoham-pirenena
Matotra sy vonona
Ka hahay hifankatia
Hifandray tsara aman'olona

Ray ô! Toroy lalana izahay
Omeo fahalala ihany koa
Omeo fahasalamana ny tsirairay
Omeo hery sy hambom-po

Ray ô! Ireto izahay
Miara-miombom-bavaka
Satria ianao ry Ray
Tsy mba manavakavaka

Koa mangataka aminao
Raha mba sitrakao ry Ray
Miandrandra tany vaovao
Koa tahio re i Dadanay
Sy ireo ankohonany
Midira eo an-tokonany
--------
Rohy:
1108 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119