Ventson'ny manina (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ventson'ny manina

Eto amorom-parihy
Injany rano mikoriana
Zatra teo anilan-tiana
Irery mangingina
Mandinika iry
Faravodilanitra
Mamiratra mahafinaritra
Any mantsy izay ilay tiako
Ilay hany mba niriako
Mahatsiaro anao aho izany
Ny saiko no lasa any ho any
Tsy mandrimandry
Ny eritreritro mivahona
Izay sasatra miandry
Maniry mba hiaona
Indrisy ny elanelan-tany
Midezaka makadiry
Ny foko te hikiry
Hiantoraka mankany

Ă” ry vorona eny an-danitra
Tahafin'ilay masoandro
Irony monim-bonin-kazo
Tsara sady manitra
Diva hilentika masoandro
Indreny vorona mpivazo
Hanantona kamory
Ny foko oriory
Fa lavitr'olon-tiana
Jiady fangirifiriana
Eto anivon'ireto ala
Manina malala
Siotsiokam-boronkely
Injany ao an-tendro-kazo
Manakoako ireo jorery
Sy vorona madinika
Ao amoron-kiady
Injany ny sento fa mianjady

Any mantsy ilay malalako
Tsy eto anilako akory
Tiako hitantana ny tanako
Eto amoron-kamory
Irery milalao
Fa lavitra anao
Toy ny zazakely
Tsy ahitan-teny
Lasam-borona matetika
Iny masoandro milentika
Mahatsiarotsiaro anao
Sy ireo niarahana natao
Any mantsy ianao izay
Ilay tokako iray
Tsy roa aman-tany
Manina anao aho izany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1436 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165