Voady (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voady

Ny tsara tsy ho lany
Ny manja tsy ho ritra
Amiko ianao ry tiako
No tokana aman-tany
Fa ny voadiko efa vita
Aminao r'ilay niriako

Koa hamafisiko etoana
Ireo voady efa nomeko
Natolotro ho anao irery
Haveriko aminao foana
Fa matoa ianao nekeko
Tsy hivadiako velively

Eny
Vonona aho re hitolona
Vonona aho hiady mafy
Vonona hizaka izay mangidy
Tsy avelako ho sarahin'olona
Sy satria tiako ianao mantsy
Koa tsy avelako ho kivy

Ho tiako foana foana ianao
Na alavitra ahy na akaiky
Ary ho tiaviko tsy hajaiko
Ianao irery am-poko ao
Izaho koa tena manaiky
Hanolotra ho anao ny aiko

Koa tadidio ary tsarovy
Fa ny foko tokana tsy mizara
Ary tsy ho resy tsy miady
Ka na zovy io na zovy
Milaza hoe tena tsara
Dia ianao notiako ho vady
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1951 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112