Voaloham-pitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voaloham-pitiavana

ilay tiana voaloha
toa tsy afaka ao an-doha
tsy mety hadinoina
tsy maty ho vonoina
tsaroana lalan-dava
ny endrika sy ny tava

tsy mety miala an-tsaina
na oviana na oviana
ilay voalohany nolalaina
voalohany mba tiana
tsy mety voafafa
indrindra, ireo lasa

toa mitoetra ombieny ombieny
foana mantsy izy ireny
toa sarotra no mino
hoe izy ireny no hadino
fa tsiahy indray miserana
dia mahatonga tamberina

embona, sentosento
mamoha ireo ventso
tsiaro ilay taloha
ilay olon-tiana voaloha
toa sarotra fafaina
fa mitoetra foana an-tsaina

indraindray mampitomany
raha mahatsiaro izany
olon-tiana voaloha
notiavin'ity fo
nitsirin'ilay fitia
voaloham-pitia

toa satry hiverina indray
ilay olon-tiana faha izay
nikoriana tao anaty
ary tsy mety ho maty
ilay voalohany notiavina
voalohany tsy mba nolavina

izany voaloham-pitia izany
dia tadidy foana hatrany
na firy taona aza nisarahana
toa izy foana no mibahana
tsy miala ao am-po
ilay olon-tiana voaloha
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - Fisarahana - Fitiavana
701 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.023