You are here: home > Vetso

Vonin-kazo an-jaridaina - Nalison Randrianaivo

Vonin-kazo an-jaridaina

mahafinaritra ery
ny mijery ny natiora
izay velom-belom-pitia
falifaly mihirahira

satria nahazo aina
avy amin'ilay Ray avo
ilay vonin-kazo an-jaridaina
mamelana tsy malazo

toa miravaka soa ery
ireto vonin-kazo soa
mahafinaritra maha te ho tia
kanto tena soa tokoa

Sokajy : Fitiavana, Natiora

Hametraka hevitra

Midira aloha