ahy ny fiainako (Nofy2)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy azoko mihitsy ny olona sasany
miditra ny fiainako sy toa liandiana
tsy menatra akory nefa dia fantany
fa henoko foana ny fanaratsiana
fa angaha moa niainany izay mba niainako
ka tsapany mihitsy ny lala-nalehako
no toa omena tsiny aho amin’ireo izay tarainako
nefa tsy izy no mba nianteherako
izay nodiaviko moa mba nitsahiny
ireo izay nizorako tsy hainy akory
kanefa tsy tahotrafa tena sahiny
mitsara ny ataoko arahin-donilony
lazalazainy aho fa ratsy safidy
fosafosainy amin’izao rehetra izao
alaina baraka toa izy mandidy
na mety na diso ny zavatra atao
ny fiainako nefa dia ahy samirery
izaho no mizaka na ratsy na tsara
midira an-tsehatra raha toa mbola hiteny
fa tsy any ambadika no mitsaratsara

Nofy2 15 Janvier 2018
--------
Rohy:
1219 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : nofy2
Daty : 04/05/2019 16:51
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01