ilay tokantranotsika (Nofy2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
toa tony vao omaly ilay dina nifanaovana teo anoloan’ny alitara
ianao nanaiky ahy tsy niahotra akory,tsy nisalasala
namikitra ny tanako ho andry ianteherana mandrakizay
fa manomboka androany ilay isika roa niova lasa iray


t@ iny indrindra,toa paradisa antsika ny fiainana eto an-tany
feno fahasambarana,feno fifaliana tanaty isika tany
ianao ilay nekeko teo anoloan’ny Tompo sy izao tontolo izao
dia porofo iray fa ho vady andefimandriko mandrakizay ianao


omaly anefa izany......


ankehitriny kosa nilaozanao malala ilay tokantranotsika
tsy niasanao saina akory ireo nikirizana niarahana namita
ny fiangaviako aza sy ny fitalahoko nininao tsy nohenoina
fa lasa ianao nandeha,nandao ny foko tia,tsy nanao veloma


nangataka aho ry tiako,na dia kely monja aza ny fanazavana
ny teninao mahery,nandrotika ny foko,nilaza tsy tamana
tsy fantatro ny antony,fa ny hany azoko antoka nandaozanao ny akany
dia efa misy toerana hitsena anao rahavako any ambadika any


tsy nisy disadisa,tsy nisy ady hevitra fa lasa ianao nisitaka
izaho tsy hoe naditra,nisotro sy nifoka na koa hoe namitaka
nofoananao ry aiko,narodanao malala,ilay tanjona efa tratra
naleonao nifindra,nanolikoly indray ilay toerana any an-kafa


nihevitra aho mantsy fa ianao ilay sarobidy natokana ho ahy
napetraky ny Tompo hiara-dalana amiko ho silaka fanahy
novainao tanteraka ny anjara efa voatondro sy efa mba nitoetra
ny sitraky ny Ray notsiniavinao fa hoe diso fiantefa


ny manadino sisa no azoko atao.......


Nofy2
25 nov 2008
--------
Rohy:
2110 2
Mpakafy: Nofy2 - misaraj1234
Hevitra mandeha
Imbolatiana ( 05/08/2014 11:42)
Mampalahelo sady mampieritreritra ....

Ny ririnina androany, mbola hisolo lohataona
Vonton'alahelo ianao fa rahampitso ho afa-tsaona
Hisinda teo ny andro ratsy fa masoandro mibaliaka
No hitsena anao indray amin'ny ho avy manjopiaka

Raha mbola velon'aina dia manàna fitokisana
Fa hisy andro iray, hitsiky aminao ny vintana
Ho toy ny nofy ratsy sisa ilay ratra nentinao
Hiaina amin'ny fahasambarana, anaty fiainana vaovao

Nofy2 ( 01/09/2014 12:28)
hiala nenina

ala nenina no ataoko an'ilay malalako iny
ka italahoko izy mba tsy hifanomezan-tsiny
ho anontaniako azy n antony nandaozany ahy
ary hiangaviako izy tsy hatahotra fa ho sahy


ho lazaiko aminy eo "fa maninona? satria?
no nilaozanao ny foko fahadisoako ve sa tsia?"
asa nefa izay ambaranyizy koa mety tsy hiteny
dia atao ahoana moa, sanatria ny hoe hanery

raha izay moa no mitranga, dia fodiana no ao an-tsaina
ka ny lasa ho hadinoina ary ny ho avy no andrandraina
mety koa hilaza izy fa efa any ilay anjarany
dia izao no havaliako azy "mahareta hatramin'ny farany"

ala nenina no ataoko an'ilay malalako iny
sao dia misy vahaolana hiverenan'ny fahiny
fanantenana no atao be, finoana no atao matanjaka
ka atao am-pahatoniana raha tsy ho hety moa hatsahatra

Nofy2
06 Aout 2014
andry 1000 ( 08/04/2015 03:44)
Avelao handeha raha hita tsy azo tanana
rehefa tsy tamana aza mba sakanana
Omeo tsondrano koa hahita ilay hotiaviny
Irario ny fiainany ho tojo izay tadiaviny

indramiko kely io tononkalonao io hamaliako azy an!!
Nofy2 ( 28/11/2015 15:16)
ok!misaotr e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 05/08/2014 10:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151