Mirary soa ho anao ry foko... (Nofy2)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miomana ianao ry foko hiatri-piainam-baovao
Ary hanova ny famindra izay tsy mbola hitanao
Eny ekeko mafy izany,nefa indrisy tsy azo lavina
Fa tsy maintsy ho sedraina,handalovana sy diavina

Irariako ianao ry foko mba vetivety dia ho sitrana
Satria ilay ratra anatinao sady ngeza tsy mivitrana
Ary tsy ho farofy intsony fa ho salama sy tomady
Ninoninona miseho,ninoninona mianjady

Irariako ihany koa mba tsy tena haharitra ela
Ny hakiviana sy alahelo fa vetivety dia hihena
Androany aloha ry foko,zonao ny mitomany
Manarana fo tokoa fa hiova lalana avy hatrany

Irariko indrindra ianao mba tsy hikasa hamaly faty
Na mikendry hiantso tody,fa lefero ny ao anaty
Ny fahatezeranao? afeno mba tsy ho takany
Ndeha mivavaka ho azy ,ary aza atao fantany

Ndeha mizotra moramora amin'iny lalana iny
Ary adinoy tanteraka ilay malalanao fahiny
Mirary soa anao ny tenako ary dia soava dia
Mahazoa izay iriana, homba anao Kristy

Nofy2
05 novembre 2009
--------
Rohy:
2198 1
Mpakafy: Nofy2
Hevitra mandeha
ampelah ( 25/04/2014 17:07)
Fo mitraka :) Mahafinaritra !
Nofy2 ( 28/04/2014 11:05)
misaotr e! tsy maints maher foan rehef nilaozan'olontian, ts maints manadin ian ko
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 19/04/2014 13:46
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145