You are here: home > Vetso

Ny endri-pitiavana - Nofy2

Azo vakiana?

Raha toa ka ny tiana no tojo ny tia
Ka mifampitantana,miara-dia
Na iza na iza no sendran’izany
Mahatsapa fiatiavana mamy dia mamy


Raha toa ka ny tiana no miseho mankahala
Mitsoaka ny tia,mitady hiala bala
Na iza na iza no sendra fandavana
Mitady,mikaroka,miantso fitiavana


Raha toa ka ny fo voafita-pitia
Rava kanefa niriana ho doria
Na iza na iza voadoana ny fony
Dia lasa tsy mieri-pitiavana intsony


Raha toa ka ny fo maro tiavina
Ekena daholo tsy misy ny lavina
Na iza na iza miseho maro lafy
Tsy ampy fitiavana ka dia mandrafy


Raha toa ka izy roa tsy mety hifanaraka
Kanefa tsy mihevitra izay hoe hisaraka
Na iza na iza voasedran’izany
Mararim-pitiavana ny any anatiny any


Izany sy izany no endri-pitiavana
Mamy ,mangidy tsy maintsy lolohavina


Nofy2
03 septembre 2009

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Nofy2


Nampiditra : Nofy2
Daty : 09/09/2014
Mpamangy : 14855
Mankafy : 10

Tononkalo hafa

Tiako ianao
HAFA IHANY
HATREO
Aoka izay
ato an-tranoko ato
Rehefa hanambady
Meteza
Rehefa
ny vady aman-janako
ahy ny fiainako