Ny eto an-tanana - Nofy2
Azo vakiana?
Malaza eto an-tanana ny fanalana zaza
hatramin’ny vao misandratra na efa madama
tsy kely na lehibe injao mitamatama
tsy menatra intsony manao ny hadalana
atsy ananona atsy toerana mangina
izay rehetra zatovo na tanora samy liana
tena sahisahy mitondra olon-tiana
dia mifanorokoroka, ianao indray no variana
ery ampita ery feno makorelina
jereo fa mitandahatra vao tonga ny amin’ny enina
ianao indray no sahirana fa mila ho badenina
mahatazana ny entana tsy takona afenina
dia izay no zava-misy iarahana mahalala
izany no malaza fanao eto an-tanana
tsy menatra intsony na dia efa rarana
hanao ahona ‘lahy izay mba hiafarana
Nofy2 07 Novembre 2017
Sokajy :
Fiaraha-monina
Mombamomba
Mpanoratra : Nofy2

Nampiditra : nofy2
Daty : 04/05/2019
Mpamangy : 700
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ILAY TOVOVAVYTeny
Divorsa
Tsy misy azo atao!
Sanatria!
Tiako ianao
HAFA IHANY
HATREO
Aoka izay
ato an-tranoko ato