Ny ho avintsika (Nofy2)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manahy aho sombiniaiko amin'ny hoavintsika
Tsy noho ny aminao
Ny fahendrenao aza tena itokiko
Kanefa raha izao hahantra foana isika

Jereo ange, malala, ny firenentsika
Angamba fantatrao, iarahana mahita
Tsy mitsahatra mitombo izato vidim-piainana
Raha izao no mitohy dia be ny fitarainana

Nefa ny karama tsy misy fanondrotana
Raha vao mitaky anefa dia hoe manankorotana
Ny kapoakam-bary izao no mitovy amin'ny saran-dalana
Raha mbola izao foana tsy ho hisy ny eo an-tĂ nana

Diniho ange, ry aiko, ny mpanao politika
Jereo ny ataony toa manaboto antsika
Lazainy eo daholo ny zavatra hatao
Kanefa aiza ho aiza izay vita hatramin’izao

Isika toa itony moa afaka hankaiza
Raha hiteny anefa mba hitondra ho aiza ?
Tsy misy mihaino akory fa hoe mirediredy
Na marina aza anefa voateny sy voabedy

Noho izany anaka, milofosa mianatra
Ny mahazo antsika anie ataovy anatra
Mikiriza hatrany ny mba ho tafita
Kanefa aoka hijery ireo mahantra toa antsika


Nofy2 07 Avril 2007
--------
Rohy:
2442 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 07/04/2015 12:19
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104