TANINDRAZAKO IANAO - Noëlson L. ANDRIANIAINA
Azo vakiana?
Tanindrazako ianao
Ry Madagasikara soa
Tsy haiko ny handao
Fa nahitako ny soa
.
Tanindrazako ianao
Satria hoe Madagasikara
Tanindrazako ka hatramin'izao
Ilay nosy gasikara
.
Tanindrazako foana ianao
Ka tsy avelako ho very
Ny mombamombanao
Na ny fomba amam_piteny
.
Tanindrazako malala
Ry nosy mamiko indrindra
Na maro ny mpankahala
Fa ianao tsy ho voafindra
Sokajy :
Fitiavan_tanindrazana, Tanindrazana
Mombamomba
Mpanoratra : Noëlson L. ANDRIANIAINA

Nampiditra : Noelson ANDRIANIAINA
Daty : 15/06/2016
Mpamangy : 1076
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
RafahafatesanaI NENY
HAFATRA
MANDEHANA
TENA MALAGASY
INY ALINA INY
TOMANY
MIHOSIN_DRA
VETSOVETSO
ALINA MANGINA