" AHOANA RY FOKO ? " (Ny Avana Ramanantoanina)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ahoana, ry foko,
Ny sento miloatra no toa sesilany?
Tsy vitan-toloko
Na efan'ireny ny fiainana an-tany?

Ny maso mijoy...
Mba faohina ihany, tsy mety ho maina,
Tsy mety ho fohy,
Toa eri-dririnina tamy maraina!

Endre!miampanga
Fa mora mivadika ho azy eo foana :
Ny lanitra manga
Tahaka ny andro firavoravoana!

Ny Vola-malaza :
An'androny vitsy no feno, dia vita;
Dia banga sy rava;
Dia alina maizina sisa no hita.

Ny hazo maniry :
Ny tany ijoroany manjary Edena!
Kanefa mba firy
Ny vony maharitra mba hojerena?

Izany sy izany
No zavatra misy, ka aoka hisaina.
Tsarovy fa tany,
Dia vovoka ianao, fa saingy miaina!

Fiovaovana,
Fivadibadihana ihany no eto;
Ka sao hadalana
Ny lava fisento, ka eritrereto!


Ny Avana
(dans Ny Akon'Iarivo, n°1, 3 janvier 1924)
--------
Rohy:
1807 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avana Ramanantoanina
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 10/05/2021 08:41
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104