Resa-panahy (Ny Avana Ramanantoanina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hariva ny andro, ny alina tamy
Ny haizi-mangina miada misoko
Ity misy resaka mamy dia mamy
Manasa anareo, manasa ny foko

Mba hono ry vola-mazava zary
Anaty ny lanitra lavitra ery
Fanilo mitopy malefaka soa
Mba mahavariana ny masoko roa

Ity no mba hataka ataoko aminao
Ny haizin'ny foko avia mba savao
Esory hiala ny zava-manjo
Hidiran'ny taratra fiononam-po

Mba hono ry kinta-mamiratra irony
Mameno ny sahan'ny lanitra ambony
Indreny mivelatra toa voninkazo
Mba tiako hatonina saingy tsy azo

Ity no mba dinika tiako hivaly
Raha sendra ny nofiko moa no mijaly
Ho vatranareo ve ny tsy mba hijery
Ity olombelona maizina irery

Mba hono ry tany hodian-dra maty
Hamposako anao ve ny sento ato anaty
Mba mamolivoly ny atin'ny aiko
Raha toa tsy ho to ny zava-kasaiko

Ity no zavatra izay ho tozoiko
Hanondrotra anao ry Nosy tsy foiko
Na inona mafy, zakaiko ny ahy
Ho mora hatoriako miadam-panahy

Raha toa manadino aho ry Nosy Malala
Ny rako mafana anie hamanala
Raha toa tsy ianao no andrianan'ny foko
Ny androko sisa ho feno toloko

Fa lasa ny andro, ny alina tamy
Matory avokoa ny biby isan-toko
Ny fara veloma faranako mamy
Veloma ianareo, veloma hoy ny foko.

Ny Avana Ramanantoanina
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
7554 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avana Ramanantoanina
Nampiditra : Mia7
Daty : 29/06/2013 12:33
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095