FANAHY MAMOLIVOLY (Ny Avana Ramanantoanina)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny saiko re mangoraka,
Tadidiko ny lasana;
Ka lasa miantoraka,
Mahita ny ao am-pasana!

Fanahy mamolivoly-
Mivetsovetso ihany!
Ny foko ngolingoly,
Manonona an'izany!

Ny zoky fanamparana,
Indrisy! fa natelina!
Ny androm-pahasambarana,
Dia lasana nihelina!

Fanahy mamolivoly-
Mivetsovetso ihany!
Ny foko ngolingoly,
Mandrotsaka tomany!

Raha vao mamantonalina
Ny vola-fenomanana;
Nisoka re...ka lalina
Fa toy ny tsy nananana!

Fanahy mamolivoly-
Mivetsovetso ihany!
Ny foko ngolingoly,
Torovana aok'izany.

O! asa fa ny vintana,
Toa misy fiangarana...
Ny làlana itaritana,
Toa rakotra hasomparana!

Fanahy mamolivoly-
Mivetsovetso ihany!
Ny foko ngolingoly,
O! lasana vinany...!




Ny Avana
(dans Sampan'Oliva, tak.13)
--------
Rohy:
1100 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avana Ramanantoanina
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 10/05/2021 13:04
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116